Search

Fanadihadiana sy paikady enti-manatanteraka

Fanadihadiana lalina momba ireo toe-javamisy eo amin'ny tokantrano tantsaha sy famolavolana fomba manaraka paikady amin'ny alàlan'ny hetsika iombonana

Amin'ny dingana voalohany, ny ekipa mpikaroka sy ny ekipa fampandrosoana dia hiara-hiasa amin'ny famakafakana ny toe-javamisy ankehitriny eo amin'ireo tokantrano tantsaha. Ny fanahihadiana dia hifantoka amin'ireo olana lehibe atrehin'ny ireo totrantrano, ny lanja'ny fampivoarana amin'ny asan'izy ireo amin'izao fotoana izao sy ny fahafahan'izy ireo manohitra ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro, ary koa ireo singa hafa izay misy fiantraikany amin'ny vokatra azon'izy ireo. Avy amin'ny fomba fijery mirindra sy manaraka toromarika, ny DINAAMICC dia hisafidy ny  fifampizaranana andraikitra amin'ny fanadihadiana ireo tokantrano. Mandritra izany, ny paikady enti-manatanteraka dia hohalalinina sy horaisina mba hahazoana antoka fa mety sy mahomby kokoa, mba hahafahan'ny hetsika tontosain'ny tetikasa hitondra fiantraikany tsara kokoa sy hanatsara mivaingana ny fari-piainan'ireo tantsaha mpisitraka sy mpahazo tombontsoa. Amin’ny alalan’ny fivoriana ara-potoana mirindra, atrikasa na fifanakalozan-kevitra eo amin’ny roa tonta no hanaovana ny dinika momba ny lohahevitra manokana.

Ny ambaratongan'asa mifandray amin'ny asa 1 dia :

  • safidy ny laharam-pahamehana sy ny fampandrosoana ny fomba enti-miasa
  • fandrefesana lalina ireo sakatsakana
  • famakafakana ny toe-javamisy eo amin'ny tokantrano tantsaha sy fanaovana tomban'ezaka ny fampifanarahana ireo fampiharana ny fomba enti-mamokatra